Manahirana antsika foana indraindray ny manomboka zavatra amin'ny voalohany. Tsy mampahazo aina ny manao diso, indrindra moa fa rehefa mifampizara asa sy rehefa miara-miasa aman'olona. Ny tontolo eo amin'ny rindrakajy malalaka anefa dia miompana tanteraka eo amin'ny fiaraha-miasa miaraka amin'ireo olona efa mati-hanina. Izany indrindra ny antom-pisian'ito loharano misokatra ito mba hanamora ny fianaran'ireo vaovao izay handray anjara voalohany eo amin'ny fifampizarana eo amin'ny tontolon'ny rindrakajy malalaka.
Tadidio fa tsy hahay mihitsy ianao raha tsy manandrana ary ny fahadisoana azo no hahazoanao traikefa. Raha te hahay ny fomba fandraisana anjara amin'ny fifampizarana ary dia araho ireto dingana manaraka ireto:
Raha mbola tsy misy git ny solosainao, ampidiro izy .
Raha te hampifandray an'ity takelaka ity amin'ny kaontinao ianao dia tsindrio ilay bokotra "fork" etsy ambony. Lasa misy dika mitovy amin'ity takelaka ity ao amin'ny kaontinao avy eo.
Raha te hanao dika mitovy an'ity takelaka ity ianao, dia mankanesa ao amin'ny kaontinao "Github" ary sokafy ilay takelaka nampifandraisinao. Tsindrio ilay bokotra misy soratra hoe "Code" etsy ambony, tsindrio ilay sary fahamantarana manao kopia.
Sokafy avy eo fandefasana kaomandy, ary alefaso ity kaomandy ity:
git clone "Rohy izay natao kopia"
Ilay "Rohy izay natao kopia" (tsy misy faingo) dia ny rohy misy ilay takelaka ao amin'ny kaontinao. Jereo eo ambony ny fomba hahazoana ilay rohy.
Ohatra:
git clone https://github.com/ny-anaranao/first-contributions.git
Ilay ny-anaranao
dia ny anaran'ny kaontinao "Github". Eto dia manao dika mitovy ny takelaka avy lavitra ho ao amin'ny solosainao.
Midira ao amin'ny toerana misy ilay tetikasa izay nataonao kopia (raha mbola tsy ao):
cd first-contributions
Mamorona sampana vaovao ka alefaso ny kaomandy git checkout
:
git checkout -b <add-votre-nom>
Ohatra:
git checkout -b add-crystel-ratsimbazafy
Sokafy ny rakitra Contributors.md
ao amin'ny fanoratanao ny soratra, dia hampidiro ao ny anaranao, dia tehirizo.Raha sokafanao ny fandefasana kaomandy ka alefanao ny git status
, dia ho hitanao fa misy ny zavatra niova. Hampidiro anaty lisitra mba ho afaka hiditra ao amin'ny sampana zay noforoninao ny fanovana amin'ny alalan'ny kaomandy git add
:
git add Contributors.md
Hampidiro ao amin'ny sampana amin'izay ny fanovana nataonao amin'ny alalan'ny git commit
:
git commit -m "Add <ny-anaranao> to Contributors list"
Soloy ny anaranao ilay <ny-anaranao>
.
Raha te hanao an'izay dia alefaso ny kaomandy git push
:
git push origin <sampana>
Soloy ilay sampana izay noforoninao ilay hoe <sampana>
.
Raha mitsidika ny takelakao ao amin'ny Github ianao dia mahita bokotra Compare & pull request
. Tsindrio io bokotra io.
Alefaso ny fangatahana avy eo.
Ho hakambako ao amin'ny sampana fiaingan'ny tetikasa ny zavatra nataonao avy eo. Mahazo mailaka ianao avy eo mba hahafantaranao fa vita ny fanakambanana.
Ny sampana fiaingan'ny tetikasa anao dia tsy maharay ilay fanovanao fa mila raisinao manokana izay fanovana farany ao amin'ny sampana fiaingan'ny tetikasa. Araho ireto dingana manaraka ireto.
Mankanesa ao amin'ny sampana fiaingana.
git checkout main
Dia hampidiro ny rohy misy ny takelak'ilay tetik'asa naotaonao fampifandraisana upstream remote url
:
git remote add upstream https://github.com/Roshanjossey/first-contributions
Fomba iray atao mba hahahafantaran'i git fa misy zavatra vaovao ao amin'io takelaka io izay antsoina hoe upstream
. Rehefa vita izay dia alaivo ny fanovana vaovao rehetra ao amin'ilay takelaka nampifandraisina:
git fetch upstream
Alefaso ao amin'ny sampana fiaingana misy ny takelakao anaty solosainao ny zavatra vaovao rehetra:
git rebase upstream/main
Alefaso any amin'ny takelaka ao amin'ny github anao ny fanovana azonao rehetra:
git push origin main
Afaka fafana amin'izay ny sampana izay noforoninao rehefa vita izay:
git branch -d <ny-anaran-ny-sampana>
Afaka fafana ihany koa ny sampana avy lavitra:
git push origin --delete <add-votre-nom>
GitHub Desktop | Visual Studio 2017 | GitKraken | Visual Studio Code | Atlassian Sourcetree | IntelliJ IDEA |
Afaka miditra ho mpikambana ao amin'ny ekipanay ao amin'ny Slack ianao raha mila fanontaniana na fanampiana. Hiditra ho mpikambana ao amin'ny Slack